© Lalasoa Berïnson 2010-12

 

Iny tiako iny

 

Iny tiako iny

No satriko izaràna

Ny amiko isan'andro

Fa liana koa ny amiko.

 

Iny tiako iny

No satriko henoina

Fa tia tsy tompoina

Ny fony mankafy.

 

Iny tiako iny

Hafa noho ny hafa

Satriko hitafana

Fa tiako sady mamiko.

 

Iny tiako iny

Tsy vitanao terena

Ny fony volamena

Tsy vitako atakalo.

 

Iny tiako iny

Na hitanao tsinìna

Fosaina sy haratsiana

Dia mbola ahy ihany

Iny tiako iny…