Raha hainao ny mitony nefa ny hafa rehetra
misavorovoro sy manakiana anao,
Raha matoky tena ianao nefa io izy rehetra
misalasala mafy izay mikasika anao;
Raha hainao ny miandry, tsy sasatra miandry,
ny tsy mamaly fitaka ny lainga izay afafy,
ny mpankahala anao tsy hovalianao sandry,
Tsy miseho ho hendry ianao no sady tsy mandrafy:
Raha hainao ny maniry nefa tsy manao ny nofy ho Tompo
Raha hainao ny misaina nefa koa tsy andevony
Raha hainao ny mandray ny fandresena sy ny loza,
izay samy fitaka, amin'ny fomba roa mitovy;
Raha zakanao ny mandre ny marina resahinao
Aolan'ny mpandavo amitahany olona adala.
Raha tsy kivy ianao manorina izay natsanganao
Nefa hitanao nirodana, nikoro sy nirava:
Raha nampiasainao daholo ny fanananao rehetra
izay zary fatiantoka ka vao hanomboka indray,
nefa ianao tsy mitaraina tomanin-tsetsetra
na manenina akory sy misento mahamay.
Raha vitanao terena ny fo, ny saina sy ny tena
mba hanenjika indray ny fandresena efa nandao
Dia io ianao miady mafy, mangirifiry mahonena
Ny faniriana mba tavela no miantso hoe: "Andao!"
Raha hainao ny besinimaro, no manan-kasina ianao,
Ny anilan'ny mpanjaka, nefa koa mbola vahoaka.
Raha, na fahavalo na sakaiza, tsy misy maharatra anao.
Raha atokisana ianao nefa koa tsy tafahoatra.
Raha vitanao fenoina ny ora lasana misesy
Fenoinao herim-po, fikirizana sy tanjaka
Dia anao ny Tany sy izay eo aminy rehetra.
Fa mbola ambonin'izany, Lehilahy ianao, ry zanako!
Dika malalaka ny If ... (1910), an'i Rudyard Kipling